- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Fiara 4x4 nilentika tao anaty renirano

Toliara II : Fiara 4×4 nilentika tao anaty renirano

Noho ny firotsaky ny orana nandritra ny roa andro, niakatra avokoa ny ankamaroan’ny renirano any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Fiara tsy mataho-dàlana iray nikasa ny hiampita ny reniranon’i Manombo no nilentika tao anaty rano, afak’omaly, tao Fitsitika Fokontany Tsihaka, Kaominina ambanivohitra Manombo Atsimo, Distrikan’i Toliara II. Raha ny vaovao voaray, noho ny tsy fitandreman’ny mpamily no nahatonga ny loza, ka vao nitranga ny loza dia niala haingana tao anaty fiara ny mpamily nanavotr’aina. « Na dia norarana mafy, satria hita izao fa miakatra ny rano, ary matanjaka be ny onja, dia mbola niroso nijoboka sy nisisika niampita ihany ity saofera vahiny nanampatra ny mokon-dohany diso natoky tena loatra, ka izao no vokany : rendrika tao anaty rano trambo ny fiara », hoy ny mponina. Ary ora maromaro no nampakaran’ireo vantan-dehilahy matanjaka teo an-tanàna an’ilay  fiara tsara tarehy sy bikaina tao anaty rano. Mitandrema ihany rey olona amin’ny fotoam-pahavaratra izao, fa lahitokana ny aina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici