Niainga tamin’ny vono olona feno habibina tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Sarinosy ny raharaha. « Manoloana izany dia tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny kaomisaria ao Farafangana ny havan’ny maty ary nisy ny fanadihadiana nosokafana », raha ny fanazavan’ny polisy. Tao anatin’izany no namantarana ny fisian’ny lehilahy miisa enina monina ao an-toerana ihany. Ireo no voarohirohy ho nahavanon-doza. Nandeha araka izany ny fikarohana rehetra ary ny roa no voasambotra voalohany. Nisy basy lava izay sarona niaraka tamin’ireo. Rehefa nohenoina dia niaiky ireo fa tompon’antoka tamin’ny heloka bevava ary mbola nanondro ny namany efatra hafa koa izay nolazaina fa niara-nanatontosa ny famonoana. Ireo farany dia mbola tsy hita hatreto izay nanjavonany ary heverina fa nitsoaka tao an-tanàna. Isan’ny voalaza fa anton’ny famonoana ho faty ny valifaty. Notsipihan’ireo roa lahy izay voasambotra fa io olona novonoin’ireo tamin’ny fomba feno habibiana io no tompon’antoka tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ihany koa ny rain’izy roa lahy ireo. Izany hoe mpirahalahy ireo voasambotra. Samy nidoboka am-ponja aloha ireo miandry ny fotoam-pitsarana noho ny vono olona.
D.R