- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Maty tsy tsa-drano

Antanimena : Maty tsy tsa-drano

Lehilahy iray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga tetsy Antanimena. Efa nisarona lamba ny razana tamin’ny fotoana nandalovana teo an-toerana. Feno rà kosa ny arabe. Omaly alina manodidina ny tamin’ny valo ora no nitranga ny loza ary vokatry ny fandehanana mafy raha araka ny fanazavan’ny vavolombelona izay nilaza ho nahita ny tranga. Nandeha an-tongotra hamonjy fodiana ilay niharan-doza. Nanokatra  fanadihadiana ny polisy izay miadidy iny boriborin-tany ary tonga teo koa ny polisy misahana ny raharaha lozam-pifamoivoizana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici