- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Vehivavy nolazaina fa mpamosavy, saika nodorana velona

Talatamaty : Vehivavy nolazaina fa mpamosavy, saika nodorana velona

Soa ihany fa tonga haingana ny zandary fa raha tsy izany, zava-doza no niseho ny sabotsy lasa teo teny Talatamaty. Tokony  ho tamin’ny roa ora teo no nahazo antso nyzandary eo Ankadilalana,nampandre fa misy vehivavy iray tratran’ny olona namosavy ao amin’ny tanàna atao hoe Antsambilo, fokontany Mamory Miray Antoby, kaominina Talatamaty. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary ka ramatoa 40 taona mifatotra itangoronan’ny olona no novantanin’izy ireo teny. Nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka ity voalaza fa mpamosavy ireo vahoaka ireo. Niditra an-tsehatra nandamina ny zandary ary naka ilay vehivavy ka avotra soa aman-tsarany ainy. Taorian’izay, dia nentina avy hatrany teny amin’ny tobin’ny zandary ao Mandrosoa Ivato ravehivavy ka notanana vonjimaika ao mba ho fiarovana ny ainy. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Fa ny mahagaga dia ireofokonolona izay saika handoro io ramatoa io. Fa angaha moa ny fiaraha-monina malgasy mbola toy ny tany amin’ny fahagolan-tany na koa mbola eo amin’ilay antsoin’ny mpahay Tantara hoe « Moyen-âge ». Tamin’izany mantsy no nodorana izay voampanga, fa mpamosavy na mpanao ody ratsy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici