« Tsy manaiky hatramin’ny farany ny fanendren’ny prefen’i Toamasina ny filoham-pokontany tsy olona avy amin’ny fokontaninay izahay. Mba miandrasa na /sy mirotsaha koa raha sahy amin’ny fifidianana izay hatao ny volana mey ho avy izao », izay no nambaran’ireo fokonolona tsy manaiky ity filoham-pokontany vao notendrena nasolo ilay filoham-pokontany teo aloha efa nodimandry ity. Efa tonga teo anivon’ny fokontany Mangarano P/elle 11/46 ity filoha vaovao ity nampilaza ny maha-filoha azy, saingy efa nitondran’ireo fokonolona sorabaventy ny tsy fankasitrahana azy. Ny alarobia 26 febroary teo aza efa tsy hita izy tamin’ny famonjena fivoriana nampanaovin’ny talem-paritry ny fahasalamana sy ny OMC Toamasina tao amin’ny biraon’ny prefektiora Mangarano II, mikasika ny fiarovana nysisin-tany Malagasy amin’ilay valan’aretina “coronavirus – Covid-19”, sy resaka fanisana ireo zaza Malagasy latsaky ny 12 volana isaky ny fokontany araka ny toromariky ny minisiteran’ny fahasalamana. Noho izay rehetra izay sy fahenoan’nyfokonolona aoMangarano P/elle 11/46 fa hanao an-keriny hiditra ny biraon’ny fokontanyamin’nyfitondrana vadintany sy mpitandro ny filaminana ny tenany anio alatsinainy, dia nivory mahakasika ny hetsika hataony koa ny fokonolona ny sabotsy sy ny alahady teo amin’ny fanomanana sorabaventy isan-tokantrano harantin’izyireo ho hitan’ny mpandalo rehetra. Ahiana noho izany ny sakoroka eoamin’ny fokonolona ao Mangarano P/elle 11/46 sy ity filoham-pokontany vaovao vao notendren’ny prefen’i Toamasina araka ny baiko midina ity. Efa nanao sonia marobe tsy manaiky izanyny fokonolona, nefa tsy nohenoin’nyprefen’i Toamasina, sy tsy noraharahan’ireo solombavambahoaka eto Toamasina ihany koa ny feom-bahoaka.
Malala Didier