Noho ny gaboraraka misy eo amin’ny lafiny fifamoivoizana, indrindra ny eo amin’ny fitateram-bahoaka amin’ny fanaovana « racolage » mahazo laka any amin’ny Distrikan’i Sambava sy any amin’ny Faritra Sava, dia nanao fisavana niaraka ny tompon’andraikitra mpisehatra amin’ny fitaterana tany an-toerana, ka fiara niisa 157 no naiditra « fourrière » tao anatin’ny telo andro, nandritra ny « contrôle mixte » natao ny 26, 27, ary 28 Febroary lasa teo. Raha ny vaovao voaray, tsy faly tamin’izao fandaminana izao ny ankamaroan’ ireo mpitatitra manao zotra rezionaly mampitohy any Sambava sy Antalaha, ka nanao fitokonam-be tsy niasa ny farany herinandro teo. Tsiahivina, fiara roa nanao « racolage » no nosakanan’ny polisy, ka naiditra « violon » 48 ora ny mpamily. Nihenjan-droa ny tady nanomboka teo, ka raikitra avy hatrany ny fananganana ny « Commission Mixte de Contrôle de Sécurité Routière », izay ahitana ireo mpisehatra amin’ny fitaterana toy ny Zandary, ny Polisy, ny Foiben-ketra, ny Kaominina, ny ATT, ny Kaoperativa, . . . Ny tanjona tamin’ity hetsika ity, raha ny fanazavana azo, mba hanadiovana tanteraka ny gaboraraka misy amin’ny fitaterana any amin’ny Faritra Sava, ka izao nahatratrarana 157 izao ireo fiara miasa tsy nanara-dalàna, tsy maintsy nosaziana.
Eric Manitrisa