- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Tafapetraka ny governoran'ny faritra

Vakinankaratra : Tafapetraka ny governoran’ny faritra

Napetraka tamin’ny fombaofisialy amin’ny maha governoran’ny faritra Vakinankaratra azy Atoa Vy Vato Rakotovao, ny talata 3 martsa lasa teo. Teo amin’ny zaridainan’ny faritra no nanatontosana ny lanonana ara-panjakana, izay notarihan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Nanombohana ny fotoana ny fanaovan-tsonia ny famindran-draharaha teo amin’ny filohan’ny faritra mpisolo toerana  sy ny governora, hitantana ny faritra, natrehan’ny minisitra telo mirahalahy sy ireo tale jeneraly avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika io fanaovan-tsonia io.  Naneho ny fahavononany hampandroso an’i Vakinankaratra ny governora Vy Vato. Nanome toky izy fa hitondra  fahazavana ho an’ny faritra. Nohamafisiny tamin’ny fandraisam-pitenenany,  izay nilazany fa  » ny biraon’ny faritra dia ho vata lehibe ho an’ny tolo-tsaina sy tolo-kevitra hoentina miara-miantsoroka ny fampandrosoana.  Ho milina lehibe fanodinana ireo tetikasam-bahivaingana. »

Raha tsiahivina, 11 volana no nitondran’ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana. Na fampandehan-draharaha aza no tena niandraketany dia niezaka nampihodina ny faritra izy ary nijery manokana ny fandaminana anatiny sy ny tetibola isan-tsokajiny mba hanamora ny fandraisan’ny governor vaovao notendren’ny fanjakana foibe.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici