Efa maro no efa lasibatr’ireo olon-dratsy. Eny an-dalana eny mantsy izy ireo no mitily izay olona mora rebirebena sy jonoina na io amin’ny resaka vato sarobidy na io resaka volamena. Raha ity lehilahy iray voasambotra tetsy Ankorondrano ity izao dia efa nahatratra hatrany amin’ny 28 tapitrisa ariary tany ho any no efa azony tamin’iny taon-dasa iny fotsiny.
Ny fomba fiadin’izy ireo : olona iray mody milaza fa tambanivohitra no mindrana finday amin’izay olona tiany atao lasibatra. Milaza izy fa tsy manana finday kanefa misy olona mifanao fotoana aminy, izay mazàna dia lazain’izy ireo fa terantany vahiny. Mitabataba mafy ireo olona ireo (ilay mpisoloky sy ilay vazaha anaty finday) rehefa miresaka ary ataon’izy ireo henon’ilay olona mpampindrana finday mihitsy fa hoe bizina volamena no resahan’izy ireo ary ilay tambanivohitra dia mitondra volamena tokony alain’ilay terantany vahiny. « Eo no miainga ny fisolokiana satria milaza ilay olona miteny vazaha fa tsy afaka miakatra tampoka maka ilay entana fa ilay olona aloha no manome vola ilay rangahy ka any amin’ilay olona manome vola indray no halainy ny entana ary hampitomboany ny vidin’ilay volamena rehefa tonga maka ilay entana izy » hoy ny tati-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Zovy amin’izany tokoa moa no tsy ho roboka raha misy ihany ny eo am-pelan-tanana ? Rehefa lasa ny vola, azo ny entana ary rehefa ela ny ela, tsy nisy akory ilay terantany vahiny nilaza ny hividy an’ilay volamena vao tonga saina ilay voasoloky. Raha nahazo volamena tena izy moa naninona fa ny loza amin’ny atambo dia hosoka ihany koa ity volamena nosandaina tamin’ny vola tena izy, rehefa nentina tany amin’ireo teknisianina mpitily izany.
Naharay fitarainana maromaro mahakasika izany tranga izany ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena misahana ny heloka bevava ary saika ity lehilahy voasambotra no voalaza fa tompon’antoka tamin’ireo. Ny voalohandohan’ny herinandro teo dia tsikaritra ho nihaodihaody teny amin’iny faritra Ankorondrano Andrefana iny io lehilahy io ary nidinan’ireo pôlisy teny an-toerana. Tra-tehaka teny tokoa ny anao lahy izay mbola niaraka tamin’ireo vovo-bolamena sandoka famitahany olona. Voalaza fa teo am-pitadiavana izay ho hazany mihitsy ranamana no izao voasambotra izao. Marihana fa efa nigadra ity lehilahy ity ary dia izao miverina manao asa ratsy izao indray. Omaly moa io mpisoloky rain-dahiny io no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Mbola mitohy amin’ny fitadiavana ilay mpiray tsikombakomba aminy (ilay mody milaza fa terantany vahiny) kosa ireo mpitandro filaminana amin’izao.
m.L