# -Ankorondrano. Mirongatra ny mpanendaka. Olona iray no fantatra fa sendra ny mpanendaka teny amin’ny faritra Akorondrana Atsinanana, tamin’ny faramparan’ny volana jona teo. Notaritina tany anaty maizina ilay olona ary rehefa avy nendahany dia nazerany tao anaty tatatra fandehan’ny rano maloto. Misy lalana iray izay fandehanan’ny olona mirava avy miasa hariva mandeha mamonjy ny tananan’i Manjakaray. Tena maizina tanteraka ilay “kizo” ary izany no hararaotin’ireo olon-dratsy.
# – Andramasina. 20 lahy nanafika. Nirefodrefotra ny basy tany Sabotsy Andramasina ny alarobia lasa teo tamin’ny 12 ora alina. Mpivarotra iray no voatafika tamin’izany. Novakian-dry zalahy ny varavarana ary nanao amboletra niditra izy ireo. Ny vola no notakiany ary dia lasany tamin’izany ny 100 000 ariary, ny finday sy ny entana tsara rehetra. Naharitra elaela ihany ireo mpandroba tao an-trano. Raha vao azony ny entana dia lasa nandeha izy ireo. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra vokatry ny tifitra. Inenina nipoaka ny basy, hoy ny vaovao voaray.
Nangon’i r.s.