Ny volana martsa lasa teo dia natao filamatra fa ho renivohitry ny hasy ny any amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II, afaka efa-bolana. Mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy any amina kaominina maromaro mandrafitra ny distrikan’i Sakaraha (Mahaboboka, Vineta) sy Toliara II tapany Atsinanana (Andranovory, Andranohinaly) manamorona ny lalam-pirenena fahafito iny. Ratsy ny vokatra voly hasy tamin’ity taona ity, hoy ireo mpamboly, noho ny lafiny toetr’andro. Manjaka ihany koa ny halatra voly hasy mbola eny an-tsaha. Vokatr’izany, mihena ny fidiram-bolan’ireo tsantaha mpamboly amin’izao taom-piotazana izao, raha ny fitarainan’izy ireo. Faritra nalaza tamin’ny voly hasy Atsimo Andrefana teo aloha ka filamatra ny hamerenana izany iadiana amin’ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana misy. Manampy ireo tantsaha ihany koa amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hasy ny fisian’ireo sinoa namelona indray ny orinasa Hasyma izay mizara masimboly voafatina sy mamorona asa maro ho an’ny mponina amina kaominina maro.
Manitrisa