- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversZandary voatafika tetsy Manandriana : Dimy voasambotry ny polisy, telo nadoboka am-ponja

Zandary voatafika tetsy Manandriana : Dimy voasambotry ny polisy, telo nadoboka am-ponja

Andro vitsy monja taorian’ilay fanafihana nihatra tamina zandary iray tao amin’ny tokantranony tetsy Manandriana Avaradrano, ny faramparan’ny volana febroary lasa teo, dia fantatra fa efa nisy olona dimy nosamborin’ny polisy avy etsy amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano. Ny telo tamin’izy ireo no nadoboka am-ponja avy hatrany raha ny ny roa kosa nomena fahafahana vonjimaika, saingy araha-maso ara-pitsaràna..

Raha tsiahivina kely ny zava-nisy, ny alin’ny 22 febroary lasa teo, dia jiolahy maromaro no tonga nanao amboletra tao amina tokantranona zandary iray; izay fantatra fa miasa eny anivon’ny Fign. Sendra ny be no ho ny vitsy ity mpitandro filaminana ity ka tsy afa-nanohitra intsony. Vokatr’izay, naratra izy sy  ramatoa vadiny; izay  voatifitra. Soa ihany anefa fa nalaky voavonjy tany amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo ary tsy nisy natahorana ny ainy. Tao anatin’ilay fanafihana moa, dia voalaza fa niezaka niantso vonjy tamin’ireo namany ihany izy, saingy somary taraiky izy ireo. Hany heriny dia niantso tany amin’ny kaomisaria foibe miandraikitra iny distrika Avaradrano iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireto farany. Natao avy hatrany ny savahao saingy tsy nisy tratra tao intsony ireo mpanafika. Niroso tamin’ny fanadihadiana ireo pôlisy ary izao nahafahana nisambotra olona dimy izao. « Nisy ny mpiasa taloha tao amin’ity zandary ity ary nisy ireo mpifanolo-bodirindrina taminy » hoy ny fanazavana azo.  Mbola mitohy hatrany anefa ny fanadihadiana ary mbola misy olon-kafa, izay mpiray tendro tamin’ireo olon-dratsy mbola karohin’ireo pôlisy fatratra amin’izao fotoana izao

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici