- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversSoavina-Betafo : Niharan-doza ny fiaran-dry Mmopera, iray maty, 5 naratra mafy

Soavina-Betafo : Niharan-doza ny fiaran-dry Mmopera, iray maty, 5 naratra mafy

Fiara iray Mitsibushi an’ny Fiangonana katolika ao Soavina Betafo no nivarina ambony ambany rehefa avy nidona tamin’ny kamiao tamin’iny lalam-pirenena faha-7 (RN7) iny , ny Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany teo ho eo. Araka ny loharanom-baovao, handeha hihazo an’Antananarivo ity fiara ity; izay Mompera no nitondra azy no nifanehitra tamin’ity fiarabe ity tanaty fiolahana tao Andalamaty, fokontany Masoandro, kaominina Ampitatafika-Antanifotsy (PK-93). Ity farany izay voalaza araka ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana, fa tsy nanaja ny ankavana-dalàna tokony halehany. Vokany lehilahy iray 20 taona mpadeha tao amin’ilay Mitsubishi no maty tsy tra-drano. Olona dimy kosa, izay mbola mpandeha tao ihany, ka isan’izany ilay Mompera mpamily no naratra mafy. Araka ny fantatra, dia nitsoaka ity kamiao navanon-doza ity, taorian’ny fifandonana ka mbola tsy fantatra marina ny momba azy. Efa eo am-pelatanan’ny zandary moa ny raharaha ankehitriny.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici