Tratran’ny polisim-pirenena nanao fisafoana tao Ampasimazava ny iray tamin’ireo andian-jiolahy nanafika tao an-tranony ity miaramila misotro ronono, ny alin’ny 04 mars nifoha ny 05 mars lasa teo no nitrangan’ity fanafihana ity. Raha vao tafiditra ny trano ireo jiolahy efatra ireto tamin’ity fanafihana nataony ity, avy hatrany ny tompon-trano izay miaramila misotro ronono no nambanan’izy ireo ny basy; vao nahita izany ilay tompon-trano dia namaly ihany koa, ka teo am-piadiana ireto jiolahy sy ity tompon-trano no sendra nandalo ireo polisy mpanao fisafoana tao Ampasimazava ary nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany. Tsy nahavaly ilay miaramila misotro ronono tompon-trano ireto jiolahy ka noraisin’ny polisy fotsiny ny iray tamin’izy ireo niaraka tamin’ny basy nampiasaina. Naratra tamin’ny famalian’ny tompon-trano azy ireo koa ireto jiolahy na tafatsoaka aza ny telo vao nahita ny fahatongavan’ny polisy mpanao fisafoana. Ankilan’izany, araka ny fanazavana hatrany dia ny mpanampy tao an-tranon’ity miaramila misotro ronono ity no nanome ny fanalahidin’ny tranon’izy ireo natao dika mitovy tamin’ireto jiolahy ireto izao. Ankoatra izay, dia saron’ny polisy tao ao Tanambao II ihany koa ireto mpivarotra basy tsy ara-dalàna teto Toamasina. Basy lava saika hamidy 3.000.000 ariary ity sarona ity, ka ny vela-pandrika natao tao Tsarakofafa no nahatrarana azy ity izay nafenina tao anaty gony iray. Nambaran’izy mianadahy ireto, fa efa tsy eto Toamasina intsony no olona nahazoan’izy ireo ity basy lava tsy ara-dalàna namidin’izy ireo ity.
Malala Didier