Efa ela no nikarohana azy roa lahy ireo satria malaza ratsy amin’ny sinto-mahery teto Antsirabe ry zalahy. Mitondra môto raitra sady haingam-pandeha izy roa lahy manao ny asa ratsiny. Mahalala tsara ny lalana halehany izy ary amin’ny ora tsy dia mahamaro ny fiara no tena fanaovany ny asa ratsiny. Ny vehivavy no tena lasibatra, eny hatramin’ny lehilahy, ka ireny finday raitra ireny no ataony mahita. Mirifatra amin’ny môto izy ary poa tahaka izay dia tsy hita.
Ny zoma tolakandro teo tao Antsenakely, toy ny fanaony rehefa avy manendaka dia mirifatra amin’ny môto. Nisy fiara iray anefa nahatsikaritra azy ka nanaraka avy aty aoriana. Tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Ravitsara izy roa lahy , ao amin’ny fokontany Ambohimiandrisoa raha somary tery ny fifamoivoizana, no tratran’ilay fiara ka nodiminy avy aty aoriana. Nikasa mbola hitsoaka saingy efa maro ny fokonolona no nitangorona. Rehefa nahalala ny fokona fa mpanao sinto-mahery izy ireto dia efa nanomboka ny fitsaram-bahoaka. Soa fa tonga aloha ny mpitandro filaminana ka voasakana izany. Raha ny fantatra dia zanak’olona manana ny maha izy azy eto Antsirabe izy roa lahy ireo ary mianatra amin’ny sekoly ambony.
Andry N.