- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Mpanondrana vehivavy ho any Dubai voasambotra

67 ha : Mpanondrana vehivavy ho any Dubai voasambotra

Vehivavy iray voalaza fa mpanondrana olona ho any Dubaï no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « service des enquête spécialisé » teny amin’ny omaly teny amin’ny 67 ha ny sabotsy lasa teo. Ramatoa iray tonga nangataka taratasy fanamarinana fahaverezana (attestation de déclaration de perte) pasipaoro teny Anosy  no nahazoana izao vokatra izao. Rehefa natao ny fanadihadiana ity Ramatoa ity dia nibaradaka ity farany fa tsy maintsy hanavao pasipaoro izy satria hiondrana hanao mpiasa an-trano any Dubaï. Rehefa nandre izany ny polisy dia nanohy ny famotorana satria mampiahiahy ity olona ity. Tamin’izany no nanambaran’ity farany fa misy vehivavy iray hafa namany efa saika hiainga io Sabotsy 7 marsa io ary efa vonona avokoa  ny « visa » sy ny « billet » ho amin’izany. Niroso tamin’ny fikarohana ny olona naniraka ity Ramatoa ity ary ny Polisy ka fantatra fa eny amin’ny 67 ha no misy azy. Nidina teny an-toerana izy ireo ka dia noraisi-potsiny tao ilay vehivavy izay voalaza fa mpanondrana olona any Dubaï. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora moa izy rehefa natolotra ny Fitsarana ny Talata teo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici