Efa « cash point » maro no efa voan’ireto mpisoloky ireto, saingy izao izy ireo vao tratra, teny amin’iny faritra Ambohimanambola iny, ny talata lasa teo.
Telo mianadahy izy ireo aloha hatreto no fantatra fa ao anatin’ilay tambazotra saingy mbola eo am-panaovana fanadihadiana ireo mpitandro filaminana ahafantarana izay mety ho naman’izy ireo hafa. Ny teti-dratsiny : ireo roa vavy no milaza fa hisy handefa vola saingy tsy manana « compte » ka tonga manatona ilay « cash point » ary mandresy lahatra izay tompon’andraikitra ao mba alefa mivantana amin’izy ireo ilay vola. Ilay rangahy kosa no mandefa ilay vola avy lavitra. Eto anefa no mitranga ilay fisolokiana satria hafatra fohy (sms) sandoka no tonga amin’ny findain’ilay tompon’andraikitr’ilay « cash point » izay milaza fa tonga tokoa ilay vola nalefa ho an’izy roa vavy. Rehefa tena zohina anefa dia tsy misy vola nirotsaka akory tao. Raha sendra tsy mijery tsara araka izany ity farany dia manome azy ireo izay vola voasoratra ao amin’ilay « sms ». Matetika dia efa lasa lavitra sy vetivety dia manjavona ireto roa vavy ireto vao tonga saina ilay tompon’andraikitra saingy efa rano raraka. Tany amin’ity fotoana nahatratrarana azy ireo ity dia nanao toy izay fanaony izay izy ireo tamina cash point iray teny Ambohimanambola. Soa ihany fa nahatsikaritra izany tao anatin’ny fotoana fohy ilay tompon’andraikitra ary niantso zandary avy hatrany. Vola manodidina ny 250.000 ariary teo ho eo no lasan’izy ireo. Tsy lasa lavitra moa ireto mpisoloky roa vavy dia voasambotra. Mbola tratra tany ny ambin’ny vola nangalarin’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana dia nilaza ireto farany fa ilay rangahy nandefa ilay « sms » sandoka no tena ati-doha nikotrika ity fisolokiana ity. Ny harivan’io ihany moa dia voasambotra ihany koa ity farany ary nentina notazomina tany amin’ny biraon’ny zandary niaraka tamin’izy roavavy. Niaiky tanteraka ny heloka vitany izy telo ireto ary nanaiky ihany koa fa efa maro « cash point » nataony nitondra faisana. Omaly moa no natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha.
m.L