- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Mpanampy an-trano voarohirohy tamina resaka fanafihana mitam-piadiana

Ambohimangakely : Mpanampy an-trano voarohirohy tamina resaka fanafihana mitam-piadiana

Tsy nahatanteraka ny asa ratsiny ireo jiolahy raha nikasa ny hanafika tokantrano iray teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny. Nalaky tonga mantsy ireo mpitandro filaminana. Lehilahy iray no voasambotra raha voarohirohy niaraka taminy kosa ny vehivavy iray izay fantatra, raha ny angom-baovao azo, fa mpanampy an-trano tao amin’io tokantrano iray saika niharan’ny fanafihana io.

Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo no nitrangan’ity fanafihana tsy tanteraka ity tao amin’ny tokantrano iray tetsy Betsizaraina Ambohimangakely. Raha teo am-panaovana amboletra hiditra an’ilay tokantrano mihitsy ny olon-dratsy no nampandre haingana ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny tompon-trano. Tetsy an-danin’izay ihany koa nahazo fampandrenesena ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely. Naheno izany moa ireo olon-dratsy dia nirifitra nitsoaka tsy nahatanteraka akory ny zava-dratsy saika nokasain’izy ireo hatao. Raha ny angom-baovao azo moa dia nifanenjehina mihitsy ireo olon-dratsy izay niarahan’ireo mpitandro filaminana nisalahy. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ny iray. Fantatra kosa fa toa hoe nosamborina niaraka taminy ihany koa ny vehivavy iray izay voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpanafika. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana azy ireo tanteraka moa ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao ary efa mandeha ihany koa ny fikarohana izay olona mety ho naman’izy ireo. Marihana fa ny pôlisy no tonga aloha teny an-toerana ary izy ireo no nandray an-tanana ny raharaha raha ny loharanom-baovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici