- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Tsiafahy : « Vonona hampandroso ny tany niaviako aho » hoy...

Kaominina Tsiafahy : « Vonona hampandroso ny tany niaviako aho » hoy Ravahimanana Jéremie

Ho mora ary azo antoka ny hampandroso haingana an’i Madagasikara raha maromaro ny olona toa an’ity Ravahimanana Jérémie ity. Izy dia zanak’Ambatofotsy-Gara, ao amin’ny distrikan’ Antananarivo-Atsimondrano, saingy miasa sy monina any Nantes, Frantsa. Mahatsiaro ny tenany fa manana adidy amin’ny tany niaviany ary afaka manao izany tokoa raha ny toerana misy azy ankehitriny. Noho izay antony izay indrindra, dia nanapa-kevitra izy handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana iny faritra niaviany iny. Mandalo eto an-toerana ny lehilahy amin’izao fotoana izao ka nohararaotiny izany mba nihaonany tamin’ireo mpianatra 150, kilasy famaranana izay hanala bakalorea ka maniry  ny mbola hanohy fianarana na eto an-toerana na any ivelany, ny talata 10 marsa tolakandro teo, tao amin’ny kaominina Tsiafahy. Fotoana izay nanaovany famelabelaran-kevitra ka nizarany traikefa  nananany, dia ilay fomba fianatra sy fiasa atao hoe : « Système CAPS » na « Constatation, Analyse, Plan d’Action, et Suivie ». Maro moa ireo nandray azy nandritra izao fitsidihana izao. Isan ‘izany ny Ben’ny Tanànan’ny kaominina Tsiafahy, Rtoa Andriamiarisoa Tiana Lalao sy ny vadiny, ny filohan’ny fikambanana MAITSO TSARA Atsimondrano, Atoa Ralaiarimanana Herizo John sy ny vadiny, ny Proviseurs lycée Tsararivotra, ny lycée privé « La Shekinah », Zoky Évelyne Tale ny « École Chrétienne au Raval » sy ireo solontenan’ny mpampianatra. Nanome toky fa hitady fiaraha-miasa amin’ireo sekoly « enseignement général » sy « technique », « université » ary fikambanana any ivelany hanampiana ny sekoly sy ny fikambanana eo amin’ny kaominina. Nilaza ihany koa izy, fa hamaly ny hetahetan’ireo sekoly sy tanora eo amin’ny kaominina Tsiafahy ka hiezaka hitady làlana any ivelany hanampiana ireo ara-pitaovana, toy ny « Informatique », ny fitaovana ilaina amin’ny  fanatanjahantena sy ny kolontsaina.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici