- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFitsirihana fiara tampotampoka : Taxi-be iray tra-tehaka, rehefa nifanao fangalam-piery tamin’ireo tompon’andraikitra

Fitsirihana fiara tampotampoka : Taxi-be iray tra-tehaka, rehefa nifanao fangalam-piery tamin’ireo tompon’andraikitra

Efa voasava tampotampoka ity fiara mpitatitra ity, izay manao zotra mihazo an’i Soavina Atsimondrano sy Ampefiloha iny. Ratsy dia ratsy tokoa na ny endrika ivelan’ny fiara ary maro ireo tsy tomombana amin’ny lafiny ara-teknika. Nosintomina tamin’izany ireo taratasin’ny fiara rehetra ary nomena taratasy fampahafantarana ny amin’ny tokony hanaovazana sy hanamboarana azy ilay fiara. Saingy tsy nety nanaja izany ny tompon’ny fiara sy mpamily fa mbola nampiasaina ihany ilay izy saingy miafina tanteraka izy rehefa mandeha. « Miasa foana io fiara io ary mitsoaka sy miafina ireny mpanao contrôles ireny, ka ny maraim-be amin’ny efatra ora maraina hatramin’ny  enina ora, dia mitohy indray ny hariva amin’ny dimy ora ka hatramin’ny 07 ora alina ary ny sabotsy sy ny alahady no iasany » hoy ny fanazavàna. Rehefa nahazo izay vaovao izay ny tompon’andraikitra dia nojerena ifotony teny amin’ny toby fiantsonany teny Soavina ity fiara ity ka io eny fa tratra miasa tokoa ary tsy mbola nanao fitsirahana ara-teknika na nanamboarina. Teo ho no eo avy hatrany dia nampidirina « fourriere » ilay fiara. Ny tompony sy mpamily kosa dia nomen’ny tompon’andraikitra mba ho hadihadiana amin’izany fandikan-dalàna izany. Tsy ity fiara ity irery ihany moa no manao izany fomba ratsy izany fa betsaka tokoa izy ireo eto an-drenivohitra. Mila ny hijery manokana mahakasika azy ireny ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Foibe fitsaràna fiara ary hanenjika sy hanao savahao mihitsy aza satria dia loza mandehandeha tokoa ny fisian’izany.

Marihana fa mbola mitohy hatrany amina faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fitsirahana tampotampoka ataon’ny eo anivon’ny Foibe fitsaràna fiarakodia (Dgsr), ireo fiara tsy manara-dalàna ara-teknika eny an-dalana. Raha ny omaly manokana izao dia tazana teny amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra mihazo an’Ivato iny ny ekipan’izy ireo. Raha mbola teo am-panaovana ny asany mihitsy no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nahafatesana olona roa teny an-toerana (lahatsoratra eo ambony). Nanatanteraka ny asany avy hatrany izy ireo tamin’ny alalan’ny fanadihadiana ny mety ho antony nahatonga ny loza. Raha ny angom-baovao azo tamin’ireo tompon’andraikitra hatreto dia tsy antony ara-teknikan’ny fiara mihitsy no nahatonga io loza fa fandehanana mafy sy tsy fitandreman’ny mpamily.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici