Dingana lehibe tokoa amin’ny resaka ady amin’ny tsy fandriampahalemana no vitan’ireo mpitandro filaminana ao amin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Fianarantsoa. Basy an-jatony maro mantsy no azo teny am-pela-tànan’ireo olon-dratsy nandritra ny hetsika nataon’izy ireo ny taona 2019 no ho mankaty. Araka ny fantatra, dia ny 115 tamin’izy ireo dia saika basy mahery vaika avokoa, ny 17 basim-borona ary ny 65 dia basy vita gasy.
Nandritra ny tatitra nataon’ny Jly Tsiketa, kaomandin’ity fari-piadidian’ny zandary any an-toerana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Omc no nahafantarana izany, ny alatsinainy lasa teo. Ny fanontaniana mipetraka ary anaovan’izy ireo fanadihadiana lalina hatreto dia hoe avy aiza avokoa ireto fitaovam-piadiana teny am-pela-tanan’ireo olon-dratsy ireto ary nahoana no any an-toerana no be indrindra ireo basy miparitaka ? Araka ny fanazavana azo, izay nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, dia ny hoe « betsaka ny antony raha tsy hampahatsiahy fotsiny, fa nisy ny fahaverezana basy maherivaika fampiasan’ny miaramila tamin’ny volana martsa 2002 teny Andohanatady Fianarantsoa, nohon’ny fifandonana ara-politika ( …) Misy ihany koa anefa basy teo amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Primatiora very noho ny tsy fahazakàna ny fifandimbiasana demokratika. Ary nisy koa ireo basy nampanofaina sy namidin’ny mpitazona azy izay efa sarona avokoa ». Voalazan’ny fampitam-baovao hatrany, fa « niezaka nitady hatrany ny mpanao famotorana fa nandritra ny taona 2019 nankatý dia nihamafy ny ezaka fitadiavana. Fantatra, fa ireny basy ireny ihany no entin’ireo jiolahy manafika mampijaly vahoaka sy nahafaty mpitandro filaminana maro ». Na dia efa azo tsapain-tanana tahak’izao aza anefa ny vokatra azo, dia nambara fa mbola misy fitaovam-piadiana isan-karazany ihany any amin’ireo olon-dratsy ireto. Fantatra anefa, fa efa mihavitsy izany. Eo anatrehan’izany dia tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny amin’ny fiaraha-miasa amin’izy ireo amin’ny fanomezana vaovao mahakasika ireo olon-dratsy mba hentina hamongorana tanteraka ny mpanao ratsy. Marihana hoy hatrany ny fampitam-baovao azo, fa mijanona ho tsiambaratelo tanteraka ny mombamomban’ireo mpanome vaovao marim-pototra any amin’ireo mpitandro filaminana.
m.L