Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena faha-12, mampitohy an’Irondro mihazo an’i Manakara iny, omaly hariva. Nivadika ambony ambany mihitsy mantsy ity fiara mpitatitra « sprinter », mampitohy an’i Manakara sy Ampasimanjeva ity, teo amin’ny PK42+100, fokontany Satramaha, kaominina Analavory. Vokany, mpandeha folo tao anatin’izany fiara izany no naratra mafy, izy nisy sasany tamin’izy ireo voatery nosokirina tao ambany fiara. Rehefa nezahana nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana moa dia fantatra, fa vehivavy iray no namoy ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra taminy. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao Manakara, dia tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo ho eo no nitranga ity loza mahatsiravina ity. « Voalazan’ireo olona nanatri-maso, hoy hatrany ity manamboninahitra ity, fa nandeha mafy dia mafy tokoa ity fiara ity ». Tsy fantatra anefa izay tena zava-niseho, mety ho olana ara-teknika tamin’ny fiara ve sa tsy fitandremana avy amin’ny mpamily fa tsy voatan’ity farany intsony ny familiana ary dia izao niharan-doza izao ny fiara nentiny. Voalaza fa nivadivadika mihitsy izany fiara izany ary efa ity fiara karaokam-by sy kodiarana lasa ambony no novantanin’ireo mpitandro filaminana. Nentina nihazo ny hôpitaly tao Ampasimanjeva ny sasany tamin’ireo mpandeha naratra, raha ny sasany kosa nentina avy hatrany nihazo an’i Manakara. Tao anatin’ireo andian’olona naratra nalefa tany Manakara ity vehivavy namoy ny ainy ity. Efa manokatra ny fanadihadiana any an-toerana moa ireo tompon’andraikitra amin’izany.
Nangonin’i m.L