- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Roalahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, saron’ny pôlisy

Andavamamba : Roalahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, saron’ny pôlisy

Lehilahy roa efa fanta-daza amin’ny resaka vaky trano, fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana no tra-tehaky ny pôlisy tetsy Andavamamba omaly. Mbola tratra teny amin’izy roalahy ireto moa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sampana misahana ny serasera eo anivon’ny pôlisim-pirenena, ny fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo amin’izany. Raha ny fantatra hatrany dia teo am-pikonokononana ny hanao ny asa ratsiny mihitsy izy ireo no tsikaritr’ireo pôlisy tsy manao fanamiana. Ka dia nosamborina avy hatrany. Marihina fa efa mpamerin-keloka izy roa lahy ireo ary efa nisy olona an-jatony nandefa fitarainana teny anivo’ny polisy nitory ireo jiolahy ireo. Nandritry ny fisafoana andro aman’alina sy ny fidinana ifotony eny amin’iny faritra mafana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana no nahazoan’izao vokatra izao.  « Manohy ny hezaka hatrany ireo polisy miasa isak’ireo boriboritany miisa valo eto an-drenivohitra. Nampitombo ny fisafoana sy ny fidinana any amin’ireo toerana mafana mba hanafoanana ireo asan’jiolahy matetika miseho eny anivon’ny fiaraha monina eny » hoy ny fanazavàna az. Paik’ady maromaro no napetraka mba ahatratrarana izay tanjona izay ka anisan’izany ny fametrahana ireo polisy manao fanamiana sivily mandehandeha, misafo sy mitily ireo toerana rehefa efa fantatra amin’ny resaka tsy fandriampahalemana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici