- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia Ankazotokana : Fifanenjehana tamin’ny jiolahy, olon-tsotra iray voatifitra

Ambanidia Ankazotokana : Fifanenjehana tamin’ny jiolahy, olon-tsotra iray voatifitra

Nirefodrefotra ny basy teny amin’iny faritra Ambanidia iny, tsy lavitra ny toeram-pivarotana lehibe iray teny an-toerana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny seraseran’ny pôlisim-pirenena dia fifanenjehana tamin’ny jiolahy no nitranga teny. « Androany (ndlr omaly) dia nahazo angom-baovao marim-pototra ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa fa hisy fanafihana mitampiadiana ataon’ny jiolahy etsy Ambanidia Ankazotokana. Niara-nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy avy ao amin’ny « unite special d’intervention » sy ny polisin’ny boriborintany faharoa tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo ». Nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy tokoa ireo pôlisy tonga teny an-toerana. Iretsy voalohany kosa, raha vao nahita ireo mpitandro filaminana dia nitifitra avy hatrany. Olon-tsotra iray, izay teo ambony môtô no voan’ny balan’ireo olon-dratsy araka ny fampitam-baovao hatrany. Naratra mafy moa ity farany, izy voan’ny bala teo amin’ny tongony. « Raikitra ny fifanenjehana sy ny fifampitifirina ka tra-tehaka teo akaikin’ny « tunnel » Ambanidia niaraka tamin’ny basy poleta miaraka amin’ny bala ny jiolahy iray fa tafaporitsaka kosa ny iray hafa ». Ilay olon-tsotra naratra kosa, raha ny fanazavana azo hatrany dia efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Mbola mitohy hatramin’ny ora nanoratanay omaly kosa ny fikarohana sy savahao ataon’ireo mpitandro filaminana an’ilay jiolahy tafatsoaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici