- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny fiakaran’ny vidin’entana eto Toamasina : Nanaovan’ny governora be midina ireo...

Ady amin’ny fiakaran’ny vidin’entana eto Toamasina : Nanaovan’ny governora be midina ireo magazay manafim-bary

Taorian’ny fivorian’ny OMC miitatra teto Toamasina izay nandinihana ireo fepetra tsy maintsy raisina amin’izao ady amin’ny valan’aretina coronavirus izao, ka isan’izany ny momba ny vidin’entana amin’ny fananaraotan’ireo mpanafatra sy mpamongady ary mpaninjara manararaotra mampiakatra ny vidin’entana, dia nanao be midina nijery izany ny governora atsinanana, sy ny talen’ny varotra sy ny asa tanana ary ny indostria, ary ny prefen’i Toamasina. Isan’ny nojerena manokana tamin’izany ity magazay iray tao Mangarivotra atsimo. Nahitana vary milanja 600 taonina teo ho eo nafarana natao tahiry tao anatiny, ka baiko avy hatrany no nomen’ny governora atsinanana Atoa Rafidison Richard Théodore fa tsy maintsy haparitaka ho an’ny vahoaka izany ary tsy tokony hiohatra ny 72 500 ariary ny gony mivoaka amin’ny mpanafatra faran’ny mora, mba tsy hiakatra mihoatra ny 73 500 ariary ny gony eny amin’ireo mpamongady aminy, ary tsy hiohatra ny 1 800 ariary ny kilao eny an-tsena. Ankoatra izay dia manomboka mafana ny olana eo amin’ny mpamily Tuc-Tuc sy ny cyclo-pousse amin’izao tsy maintsy fijanonana an-trano tsy afaka miasa noraisin’ny fanjakana izao. Manambana ny hitokona izy ireo satria ny karama hitany isan’andro no hanin’izy ireo sy ankohonany. Mangataka izy ireo amin’ny fandinihana ny asan’izy ireo ka ny tsy fahazoana mitondra olona afa-tsy iray ho an’ny cyclo-pousse, tsy mihoatra ny roa ho an’ny Tuc-Tuc, no hangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana mba hahafahan’izy ireo mitady vola hiainany an-davanadro. Ho hita eo ny tohiny…

 

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici