- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Basy vita gasy mahatratra hatramin’ny 132 isa saron’ny zandary

Ambohimahasoa : Basy vita gasy mahatratra hatramin’ny 132 isa saron’ny zandary

Azo lazaina fa mahomby tanteraka ny hetsika ataon’ny eo anivon’ny zandariam-pirenena any amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny eo amin’ny resaka ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Raha vao haingana mantsy no azo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy ny basy an-jatony maro izay nahitàna  bsy mahery vaika isan-karazany dia fantatra ihany koa izao fa mbola niampy indray izany. Fantatra mantsy fa basy mahatratra hatramin’ny 132 isa no saron’ny zandary avy amin’ny distrikan’Ambohimahasoa tamin’ity herinandro ity. Saika basy vita gasy avokoa izy ireo ary azo teny am-pelan-tanan’ny olon-tsotra tao amin’ny kaominina Ikalalao, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Marihana fa ny 101 isa amin’izy ireo dia basy lava, ary ny ambiny dia saika nalain-tahaka tamin’ny basy poleta. Mbola nisy bala efatra ihany koa moa sarona tamin’izany.  « Mitohy ny asa hoy izy ary hamafisina ny fanentanana ireo olona izay mbola mitazona basy tsy ara-dalana hamerina izany any amin’ireo mpitandro ny filaminana » hoy ny fanazavàna azo. Na dia eo aza ny ady iraisana amin’ny resaka fiparitahan’ny valan’aretina « coronavirus » dia mbola manana adidy masina iray ihany koa ireo mpitandro filaminana : ny fiarovan’ny vahoaka sy ny fananany ! 

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici