Taorian’ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra posy ny alakamisy teo nandritra ny fanfaloban’ny praiminisitra Ntsay Christian teto Toamasina, dia anjaran’ireo mpitondra tuc-tuc indray no nanao izany omaly. Mitaky ny fampanantenan’ny filoha azy ireo amin’ny fanampiana azy ireo tsy afaka miasa teo anoloan’ny kaominina ireo mpamily tuc-tuc. Nilaza izy ireo fa tokony hilaza ny marina ny mpitondra na misy na tsy misy ilay fanampiana omena irao mizaka ny vokatry ny tsy fivoahana ny trano, hahafahan’ireo mandray ny fepetra mifanaraka izany, hatreto dia mbola voahanjan’izy ireo ny tsy fahazoana miasa sy mivoaka ny trano nambaran’ny fanajakana. Raha nambaran’ny kaominina dia miisa 1.911 ireo tuc-tuc mpandoa hetra eo anivon’ny kaominina ny taon-dasa, ilay fanampiana ho azy ireo indray dia tsy mbola tonga eto Toamasina kosa, fa ho an’ireo mpiotondra posy no efa novalian’ny praiminisitra ka nanomezany vary sy voamaina ireo mpitondra posy maro be mihoatra ny 30.000 isa eto Toamasina tampon-tanana. Efa naterin’ireo mpamily Tuc-Tuc ireto teo anivon’ny kaominina ny momba azy ireo amin’izao, miandry ny anjara fanampiany izy ireo fa tena mijaly tao anatin’ny dimy andro tsy nahafahana niasa izany hoy ireto mpamily Tuc-Tuc. Ankoatra izay dia tsy voahanja ilay fijanonana an-trano tsy maintsy ataon’ny olona rehetra tsy misy asa atao ivelan’ny tranony araka ny toro-mariky ny praiminisitra nandalo teto Toamasina ny alakamisy teo. Feno posy sy fiara ary mpandeha ny arabe rehetra teto Toamasina toy an-davanandro ny omaly maraina, ny tamin’ireo fivarotana lehibe sy ny banky ary ny mpivaro-panafody ihany no tena voahaja ilay aro lozan’ny coronavirus ; fa ny teny an-tsena dia nifanosona tsy misy elanelany ny olona miantsena.
Malala Didier