- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFampijanonana ny olona any an-trano : Navoaka mihitsy hiambina ireo be di-doha,...

Fampijanonana ny olona any an-trano : Navoaka mihitsy hiambina ireo be di-doha, ny alikan’ny zandary

Tsy vazivazy intsony izy ity ! Maro amin’ireo olona mantsy no mihevitra fa mbola sangisangy ny zava-misy eto an-toerana, hoy ny Lehiben’ny ivon-toerana fibaikona amin’ny ady amin’ny valan’aretina Coronavirus eny Ivato. Araka izany dia nandray fepetra mifanaraka amin’izay ihany koa ireo mpitandro filaminana, entina hampijanonana ireo olona any an-tranony sy tsy hivoaboaka intsony eny an-dalana, raha misy antony mazava. Miha henjana hatrany izany fepetra izany raha ny hita aloha hatreto. Ambonin’ny sakana isan-karazany eny an-dalana mantsy, ny fisavàna etsy sy eroa izay tsy vitan’ireo mandeha fiara ihany fa hatramin’ireo mpandeha tongotra ihany koa, dia fantatra fa navoaka ary naparitaka eran’ireo faritra mbola be olona ireo alika mpitsongo dia maromaro eo anivon’ny «brigade cynophile » avy etsy amin’ny Ivon-toerana fiofanana manokan’ny zandary (CFS). « Mbola misy tadiny ireo alika ireo aloha hatreto » hoy ny filazan’ny tompon’andraikitra ambony iray, ao amin’ny tambazotra sosialiny. Izany hoe, mbola fampitandremana aloha, ho an’ireo olona mafiloha tsy mety hijanona any an-tranony. Fa tsy maintsy ho avy ny andro hanasaziana amin’izay, ho an’izay mbola mikiry hatrany sy tsy mety manaraka ny fepetra raisina. Ho an’ny mpitandro filaminana sasany aza, raha ny voatantaran’ny olona sasany ao anaty tambazotra sosialy ao dia misy tonga hatramin’ny fikapohana mihitsy ireo olona mbola mandehandeha eny an-dalana tsy misy antony. Marihana fa noraisina ity fepetra, tsy fahazoana mivoaka ny trano ity mba hisorohana ny fiparitahan’ilay valan’aretina « coronavirus » sy ho fitsinjovana ny aintsika tsirairay. Tsiahivina mantsy fa efa tafakatra 28 isa ireo olona mitondra ity otrik’aretina ity, raha ny voalazan’ny fampitam-baovao ofisialy hatramin’ny sabotsy tamin’ny iray ora atoandro teo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici