- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny Covid-10 eto Toamasina : Nanolotra fanampiana ny CCO ny Spat

Ady amin’ny Covid-10 eto Toamasina : Nanolotra fanampiana ny CCO ny Spat

Ny alahady teo teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena manontolo no nozaraina tamin’ireo mpitondra posy teto Toamasina ny anjara fanampiana Vatsy Tsinjo an’izy ireo avy amin’ny minisiteran’ny mponina sy kaominina ary ny faritra atsinanana. Vary 04 zinga ity natolotra ity ho fanampiana azy ireo mba tsy hivoaka ny trano ao anatin’ny fihobohana noraisin’ny fanjakana izao. Ho fanamafisana ny fanampiana atao amin’ny vahoaka sahirana noho ilay fepetra noraisin’ny fanjakana dia nanampy ny CCO Toamasina ny teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), ka nanolotra vary 10 taonina, siramamy 500kgs, Menaka 20 bidons mavo, savony 10 baoritra, ary “solution hydro-alcoolique” miisa 100 tavoahangy 500cc. Lanonana natao tao amin’ny efitra filanonan’ny faritra atsinanana izay biraon’ny CCO Toamasina, niaraka tamin’ny governora ny faritra atsinanana sy ny tale jeneralin’ny Spat. Ankilan’izany dia tonga nanampy ireo sahirana sahanin’ny fiangonana ihany koa ny CCO Toamasina tamin’ny alalan’ny governora sy ny fanampian’ny “Table Ronde” Toamasina. teny amin’ny sampan’ny Semato Morarano misy ny fiangonana FLM eto Toamasina no nanaovana ny lanonana. Fanampiana vatsy 100 izay ahita zavatra maro mifangaro izay tena ilain’ny olona an-davanando, no natolotra tamin’izany hifampizaran’ireo tena sahirana eo anivon’ny toby. Nandritra ity lanonana ity koa no nangatahan’ny FFKM tamin’ny governora fanampiana andefasana ireo zaza tra-pahasembanana ara-pahitana sy ara-pitenenana any amin’ny fianakaviany avy amin’izao fisokafan’ny lalam-pirenena anatin’ny 03 andro izao. 

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici