- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra « vanille » : Lehilahy iray tra-tehaka teo amin’ny « barrage sanitaire » 

Halatra « vanille » : Lehilahy iray tra-tehaka teo amin’ny « barrage sanitaire » 

Tsy ireo olona mety ahiana hitondra sy hanaparitaka ny valan’aretina « coronavirus » ihany akory no voatily eny amin’ireny sakana ara-pahasalamana eny amin’ny lalam-pirenena ireny. Anisan’ny voasivana sy voasakana amin’ireny sakana ireny ihany koa ireo olon-dratsy, toy ity nitranga tany amin’iny faritra Manakara iny. Lehilahy iray avy nangalatra « vanille » maitso milanja eo amin’ny efatra kilao teo mantsy no tra-tehaka teo amin’ilay sakana. Marihana mantsy fa ambonin’ny fakàna hafanana dia manantanteraka fisavàna ny entana ihany koa ireo mpitandro filaminana eny amin’ireny sakana ireny ka tamin’izany no nahasamborana azy. « Nentin’ireo Polisy namonjy ny birao avy hatrany ity lehilahy ity nanaovana fanadiadihana. Fantatra tamin’izany fa avy nangalariny ireo lavanily ireo. Notazomina an-tranomaizana ity lehilahy ity rehefa natolotra ny fitsarana ny 06 aprily 2020 » hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny seraseran’ny polisim-pirenena. Ireo « vanille » kosa dia nopotehina sy nodorana teo anatrehan’ireo manam-pahefana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici