- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny Covid-19 eto Toamasina : Nanomboka omaly ny fizarana ireo arovava...

Ady amin’ny Covid-19 eto Toamasina : Nanomboka omaly ny fizarana ireo arovava 50.000 avy amin’ny fanjakana

Ny minisitry ny mponina sy ny minisitry ny rano ary ireo solon-tenam-panjakana mpitarika ny CCO Toamasina, no nitarika ny fizarana ireo arovava azo sasana miisa 50.000 avy amin’ny fanjakana anjaran’i Toamasina. Natomboka tao Bazary kely hatrany amin’ny fiantsoan’ny taksibrosy ny fizarana izany ho an’ireo mpiantsenana sy ireo hamonjy fodiana teny amin’ny gare routiere. Nifanampy tamin’ny fizarana ireto arovava azo sasana avy amin’ny fanjakana ireto koa ireo mpitandro ny filaminana sy ny tafika malagasy eto Toamasina. Nisy koa ny fizarana ilay arovava azo sasany avy amin’ny fanjakana isaky ny fokontany avy amin’ny boriborin-tany 05 eto Toamasina, ka ireo mpikatroka scout no nanolon-tanana nisahana izany eto Toamasina. Ankoatra izany nomarihan’ny CCO Toamasina koa nandritra izany fa efa tonga tamin’ny 09ora alina ny talata 07 aprily tsaboina eo anivon’ny hopitaly manaram-penitra ilay olona mitondra ny tsimok’aretina coronavirus avy any Vatomandry. Voalaza hatrany fa eo am-panarahan-dia ireo olona nifampikasoka tamin’ireo olona mitondra ny covid-19 telo fantatra fa miabo ny alatsinainy teo izay voa atamin’ny tranga mpikasohana (cas contacte) tamin’ny fitiliana natao ny mpitabo ankehitriny. Efa misy mpitaingina taksiborosy avy any Antananarivo maromaro niray fiara tamin’iray tamin’ilay mpandeha miabo tamin’ny fitiliana natao ny mpitsabo eto Toamasina izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici