Noho ny fepetra noraisin’ny fanjakana ao amin’izao fihibohana sy fapetran’ny tany mihotakotaka noraisin’ny fanjakana noho izao valan’aretina Coronavirus ity, ka tsy ahafahan’ny olona maro mitangorona na mivavaka aza, dia tsy nanadino ny vavaky ny alahadin’ny Paka 2020 ny Kardinaly Mgr Désiré Tsarahazana ka nanao izany mivantana tamin’ny fahitalavi-panjakana eto Toamasina, mba nahafahan’ny mpino rehetra nivavaky ny Paka. Nihatrika izany mivantana teny anivon’ny foiben’ny Tvm/Rnm Toamasina eny Salazamay atsimo ny governoran’ny faritra atsinanana, ny prefen’i Toamasina, ary ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra, sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo avy eo anivon’ny CCO Toamasina. Nitondra hafatra mikasika ny fandresen’ny zanak’Andriamanitra ilay fahafatesana na tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza no niainany teto an-tany. Koa na mafy aza ny manjo ny firenentsika sy izao tontolo izao noho valan’aretina Coronavirus dia ho resintsika izany satria sambo iray isika olombelona ka ny fifananmpiantsika sy fifampiarovantsika ary ny fandraisantsika anjara amin’ny ady atao amin’ny anjaran’ny tsirairay avy no handresana izany, hoy ny kardinaly Mgr Désiré Tsarahazana. Ankoatra izay dia mila manaja ny fepetra ara-pahasalamana efa nolazain’ny fanjakana sy ny mpitsabo ny rehetra mba tsy ho tonga amin’ny atambo sy loza be ny manjo vao ho taitra isika rehetra.
Malala Didier