- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny fihanaky ny Covid-19 eto Toamasina : Miara-miasa amin’ny fandrarahana fanafody...

Ady amin’ny fihanaky ny Covid-19 eto Toamasina : Miara-miasa amin’ny fandrarahana fanafody ireo sambo miasa ny APMF sy ny CUT

Isan’ny misahana ny ady atao amin’ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus eto Toamasina sy ny manodidina azy ny kaominina; izay no mahatonga azy ireo ankehitriny miasa mafy amin’ny fandraharahana fanafody miady amin’ny mikaoba eran’ny Tanana, indrindra fa ireo faritra be olona sy mpivezivezy. Ankehitriny noho ny fahatsapana fa mety hitondra ny tsimok’aretina Civid-19 ny fitaterana entana samy hafa dia misy koa ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ireo mpitatitra amin’izao amin’ny fandraharaha fanafody, ka isan’izany ny eo anivon’ny fitaterana an-dranomasina ho an’ireo sambo misahana ny famatsiana ireo faritra sy distrika samy hafa saro-dalana. Ny sabotsy tolakandro teo dia nisy ny fiaraha-miasan’ny APMF sy ny kaominina tamin’ny fandraharaha fanafody ireo sambo 50 mahery misahana ny fitaterana entana ny tapany avaratry Toamasina (Mananara avaratra sy Maroantsetra) sy avaratry Madagasikara (Faritra SAVA) iny teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nambaran’ny ben’ny Tananan’i Toamasina Rakotonirina Nantenaina Herilala, fa “tsy misy fanafodiny aloha hatreto ny valan’aretina coronavirus, ka aleontsika misoroka amin’ny fandraharaha fanafody famonoana mikraoba tahaka izao, toy izany mitsabo amin’ny mety ho fihitaran’ny aretina eto Toamasina sy ny manodidina azy ary ireo faritra hafa”. Ankoatra izany nandritra ny fe-potoana telo andro nomen’ny filoham-pirenena nahafahana nitatitra ireo olona tsy afaka namonjy ny tanindrazany noho ny fepetran’ny fahamehana, dia mpandeha 500 izay ny ankamaroan’ireo mpianatra tsy tafody no notateran’ireo sambo niainga teto Toamasina nihazo an’ny Mananara avaratra sy Maroantsetra ary faritra Sava tamin’izay.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici