- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Fivarotana dimy indray voatafika

Ambatomaro : Fivarotana dimy indray voatafika

Ny harivan’ny alatsinainy teo, raha mbola tsy tena alina akory ny andro ary tsy mbola nihidy ny fivarotana eny amin’ny faritra Ambatomaro, tonga ny jiolahy telo nirongo basy nandroba. Nasesin-dry zalahy tamin’izany ny fivarotana nifanakaiky teo, niampy mpanao kiraro. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nahazo vola ireto jiolahy ireto. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa niditra toy ny mpividy zavatra tsotra izy ireo ary tsy nitabataba. Voaambana basy ny mpivarotra ary nasaina namone azy ny vola. Rehefa nahazo tao amin’ny iray ry zalahy dia nifindra tany amin’ny hafa indray. Dia sahala amin’ izay hatrany. Samy torankovitra izay nandalovany, ka tsy nisy nihetsika aloha fa dia nanaraka izay baikon’ireo jiolahy hatrany. Rehefa voatetin’ireo mpandroba ny fivarotana dimy, lasa nandeha niala ny toerana izy ireo. Tamin’ny fotoana nandosirany no voalazan’ny mponina fa nanapoka basy izy ireo. Izany dia hanakiviana ireo izay mety ho sahy hanenjika azy. Tamin’ity fandrobana ity, tsy nisy ny naratra na aina nafoy, fa ny tahotra no betsaka. Anisan’ny faritra be mponina sy maro mpandalo iny Ambatomaro iny, indrindra amin’ny fotoana firavan’ny mpiasa. Efa fantatr’ireo mpangalatra izany nefa dia sahy tokoa ry zalahy nanafika. Efa lasa elaela izy ireo vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ny teny an-toerana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser