Tsy tena mbola mety milamina ny ao amin’ny tananan’Ambarikely toerana nipoiran’ny halatr’omby nahatonga ny sakoroka
Fantatra avy amin’ny vaovao voaray avy any amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana fa misy hatrany amin’ny olona 28 no tsy maintsy hiatrika ny mpitsara mpanao famotorana anio, any Antsirabe. Voarohirohy amin’ny fanakana-dalana sy fanaovana fitsaram-bahoaka avokoa izy ireo. Araka ny efa nivohizana ity resaka ity teto amin’ny gazety, leo ny halatra omby niseho tany amin’iny faritra iny ny mponina ka raha nahafantatra fa nisy iray voatondro ho nanao izany dia niakatra ny hatezerana. Vao tsy izao mantsy, hono, no nisy omby very ary namidy eny ambony akalan’ny mpivaron-kena tany an-toerana efa fotoana maromaro lasa. Rehjefa riakitra ny sakoroka tamin’ny alahady, niditra na-tsehatra ny mpitandro filaminana niaro ilay olona nahiana ho nangalatra ny omby. Nirefotra ny grenady sy ny basy, hoy ny vaovao voaray. Nisy ny naratra tamin’izany ka anisan’iznay ny sefo fokontany izay nosamborina. Navotsotra ihany anefa izy avy eo. Tsy nampilamina ny mponina ity fandehan-javatra ity ka omaly, mbola voalaza fa nisy andian’olona nikasa hitady ilay tena nangalatra ny omby. Tonga teny an-toerana indray ny avy ao amin’ny Emmo-Reg ary natao ny fifampiresahana dia nilamina ihany ny raharaha. Raikitra fa ny mpitandro filaminana no hisambotra io tena naka ny omby io. Na izany aza anefa, nisy olona valo hafa nosamborina omaly. Tafikatra 28 izany amin’izao fotoana izao ireo hampangaina fa saika hanao fitsaram-bahoaka.
r.s.