Habibiana tsy misy toa izany no nitranga tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny . Taorian’ny fifamaliana nisy teo amin’ireto mpianaka mantsy dia maty novonoin’ity zanany lahy mihitsy ny reniny, noho ny disadisa teo amin’izy ireo. Tao Miakadaza, fokontany Ambohidrakitra, kaominina Ambatomanoina no nitrangan’ity tranga mampihoro-koditra ity ny 07 aprily lasa teo.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimaiam-pirenena dia ny ampitson’ny nisian’ny tranga vao nisy nampilaza ireo teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany, niaraka tamin’ny mpitsabo. Mazava ho azy, efa ny vatana mangatsiakan’ilay renim-pianakaviana novantanin’izy ireo. Ilay olona voarohirohy ho namono kosa, izay tsy iza fa ny zanany lahy ihany dia efa tsy teo an-tanana intsony. Araka ny angom-baovao azo tany an-toerana dia nilefa avy hatrany io lehilahy io rehefa nahavita io heloka bevava io ary mbola karohina hatramin’izao. Nahitàna mangana sy ratra moa ny faritra maromaro tamin’ny vatan’ilay ramatoa, izay antony noheverina fa nitondra ity renim-pianakaviana ity tamin’ny fahafatesana. « Tonga tany Miakadaza izy ireo ny andron’io ihany tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, satria eo amin’ny 20 km miala an’i Ambatomanoina ilay toerana izay tsy maintsy natao an-tongotra fa tsy azon’ny fiara na moto amin’izao vanim-potoana izao. Rehefa vita ny fizahana ny faty dia natomboka avy hatrany ny fanadihadiana mba hahalalana izay tompon’andraikitra nahavanon-doza sy ny anton’izany. Ka ny zanaka lahin’ilay ramatoa maty ihany no nahavanona ny loza noho ny disadisa nisy tamin’izy ireo ».
Nisy moa ny feo niely tamin’ny tambazotra sosialy fa « tsy mahasahy misambotra akory ilay tompon’antoka tamin’ity raharaha ity ireo zandary nalefa tany ». Nitondra fanazavàna ny tompon’andraikitry ny zandary fa diso tanteraka izany. Mbola karohina fatratra aza ity lehilahy ity nahavanon-doza dia ary mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka izy ireo amin’izao. « Mitohy ny fikarohana ilay lehilahy nahavanon-doza hatramin’izao izay ataon’ny zandary ka mifanakalo vaovao amin’ny fianakavian’ny maty izy ireo. Ny olana araka ny filazan’ny fianakavian’ny maty dia matahotra ny olona mpiara-monina ny hanoro ny toerana misy azy noho ny ahiahy ny valifaty mety hataony». Nampanantena ireo mpitandro filaminana fa tsy maintsy ho tratra ity nahavanon-doza ity na ho ela na ho haingana.
m.L