- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Lehilahy tratra nangalatra « vanille », gadra nitsoaka sa navoaka...

Sambava : Lehilahy tratra nangalatra « vanille », gadra nitsoaka sa navoaka hoe ?

« Efa teny am-pelan-tanan’ny fokonolona io lehilahy io no natolotra anay, ary voatana ato amin’ny kaomisarian’i Sambava atao famotorana mahakasika resaka halatra lavanila manta. Mety atolotra ny Fampanoavana rahampitso (ndlr androany). Ny azonay tenenina dia efa mpamerin-keloka izy io ary efa nigadra. Izy tafavoaka mialohan’ny fotoana tokony hivoahany dia tsy anjaranay angamba no manao ny fanadihadiana mahakasika izay ». Io no fanazavana nomen’ny Lehiben’ny kaomisarian’i Sambava, mahakasika ny raharaha fahatratrarana lehilahy iray tratra ny fokonolona nangalatra lavanila manta tao an-drenivohitr’i Sava tao. Voalaza araka ny feo mandeha sy mihodina ao anaty tambazotra sosialy mantsy fa lehilahy tokony mbola  ho any am-pigadràna izy ireo kanefa dia io hita mandehandeha io sahady ary dia izao tratra nangalatra lavanila izao. Nambaran’ny fampitam-baovao avy any an-toerana mantsy, fa voaheloka an-tranomaizina izy roa taona lasa izay ary nadoboka am-ponja tany Antalaha noho izany halatra lavanila izany ihany.

Marihana fa ny talata maraina lasa teo, araka ny fanazavana azo avy amin’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny pôlisim-pirenena any an-toerana ity hatrany no nisy niantso izy ireo ny amin’ny fisiana olon-dratsy tratra, izy avy nangalatra lavanila ka nikasa hivarotra izany. Ireo andrimasom-pokonolona moa no nahatratra ity lehilahy ity tamin’io fotoana io, rehefa voalaza fa tafatsoaka teo am-pelan-tanan’izy ireo rehefa nifanenjehana ny alina. Tany an-tranon’ny fianakaviany izy no noraisim-potsiny taorian’izay. « Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka io lehilahy io raha tsy tonga haingana izahay » hoy ny pôlisy. Tsiahiviana tokoa fa maharomotra ny vahoaka any amin’ireo faritra mpamokatra ity « volamena maitso » ity tokoa ny halatra ataon’ireo olon-dratsy. Hany ka maro amin’ireo fokonolona no tsy mahandry intsony ny manam-pahefana fa avy hatrany dia manafay tanteraka ireo izay tratra. Fanafaizana izay mazàna mihatra aman’aina ary mety hitondra hatrany amin’ny fahafatesana. Efa tsy vitsy moa ireo izay niharan’izany …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici