Ny alakamisy 23 avrily alina nifoha ny zoma 24 avrily teo, tranon’ny mpanao gazety iray eny amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly be no niharan’ny asaratsin’ireo andian-jiolahy manararaotra ny « couvre feu » eto Toamasina. Very tamin’izany ny fitaovam-piasan’ilay mpanao gazety, ny entana tao aminy samy hafa ihany koa. Raha ny fanazavana dia nitaingin-dakana nihazo ny lakandrano Pangalana mivoaka ny ranomasina eny amin’ny faritry ny hopitaly be ireo andian-jiolahy tamin’ny vaky trano nataony. Nihanika ny tambo misy ilay mpanao gazety ireto andian-jiolahy, nampiasa ny fonoka fanaony izy ireo ka tsy nahare ny fidirany sy halatra nataony ny tao an-trano manontolo ka nanararaotra naka izay zakany sy tiany ireto andian-jiolahy ireto, saingy tsy niakatra ny rihana kosa fa ny tao ambany ihany no tena lasibatra. Nilaza ilay mpanao gazety hoe raha namono ireto andian-jiolahy nandritra ny asa ratsy nataony dia efa maty izahay mianakavy, satria resin-tory tsy nahare izany nitranga izy ireo nandritra ny halatra. Ny maraina fifohazan’ny mpianakavy tao an-trano vao tsikaritra ny fahabangana samihafa. Raha nozahana dia nopitsohin’ireo andian-jiolahy ny varavarana, lakana no nentin’ireo jiolahy nandositra nitondra ny zavatra avy nangalarin’izy ireo.
Malala Didier




