Manomboka anio dia hiroso amin’ny fanasaziana ireo olona tratra tsy manao aro vava amin’izay ny Fanjakana, araka ny fanazavana nentin’ireo tompon’andraikitra. Na izany aza anefa, dia efa nanomboka tamin’iny herinandro iny ny fanentanana sy fisavana nataon’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nilaza moa ireto farany, ny teo anivon’ny polisim-pirenena, fa « efa maro ny mponina eto Iarivo no manana aro vava saingy betsaka no tsy manao izany rehefa eny an-dàlana raha tsy efa mahita Polisy ka eo vao mody avoaka avy any anaty paosy na kitapo ilay aro vava ». Raha ny omaly manokana, dia fantatra fa aman-jatony mahery, ireo olona tratran’izy ireo tsy nanao aro vava, tao anatin’ny adiny iray monja nanaovan’izy ireo fisavana sy fanentanana teny amin’iny faritra 67ha iny. « Tafiditra ao anatin’izany ny mpandeha an-tongotra, ny mpitondra bisikileta, ny mpitondra sarety, ny mpitaingina moto ary ireo mitaingina fiara ». Ny mahagaga anefa, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo,dia « saika manana avokoa ireo olona nosavaina ireo, saingy tsy manao izany tsotr’izao». Tiana anefa no mampatsiahy sy manentana ny rehetra hoy hatrany ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, fa «tsy ho an’ny mpitandro filaminana akory no hanaovana azy ireny fa ho fiarovana anao sy ny manodidina anao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 ».
Miditra amin’ny herinandro faharoa ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana tokoa isika izao. Marihana hatrany anefa, fa na dia miroso tsikelikely amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny andavanandron’ny mponina aza isika, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena, dia mbola mihatra hatrany ireo fepetra rehefa hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid19 : ny tsy fahazoan’ny mivezivezy afa-tsy ireo olona voatery hanao izany, ao anatin’ny ora voafetra, ny fanisiana ny elanelana iray metatra ary ny fitondrana arovava. Ny somary mampalaelo mantsy dia mbola maro amin’ireo olona no tsy manaiky mihitsy ny fisian’io valan’aretina io eto amintsika. Eny fa na dia efa hoe iray volana mahery herinandro teo aza izay no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy fa tafiditra eto amintsika ity areti-mandoza ity. Tsy mino maty tokoa ve raha tsy avy nandevina ? Sao lahy tara loatra …
m.L