- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTsimenatse : Omby efatra very, ramatoa voatafika

Tsimenatse : Omby efatra very, ramatoa voatafika

Tsy ny any ambanivolo ihany no mitondra faisana amin’ny asan-dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy fa hatramin’ny ao an-tampon-tanànan’i Toliara koa. Ny asabotsy teo dia renim-pianakaviana iray monina ao amin’ny fokontany Tsimenatse II no nanao filazana tamin’ny onjam-peo tsy miankina, mahakasika ny fahaverezan’ny ombiny efatra, ka anisan’izany ilay omby vavy sy ombin-tsarety tena tsy foiny. Tsy milamina ny tany amin’izao ary sahy mihantsy hatramin’ny mpitandro filaminana ny olon-dratsy. Rehefa lany sy miha ritra ny omby any ambanivohitra (ambala) dia miakatra « ville » ny malaso amin’izao. Somary takon’ny propangady ny lafiny  tsy fandriampahalemana ka migalabona ny olon-dratsy. Sahy ny olon-dratsy amin’izao. Mbola omby vavy be ronono efatra anampitsara no nisy nangalatra teny Imerimanjaka Ambohinjanaka ny misasak’aliny 5 desambra lasa teo. Bandy dimy no voalaza fa nanao ny « opération ». Tsy tao an-trano ity mpitsara ity, fa ny vadiny sy ny mpanampin’izy ireo no tao ary tsy nisy naheno ny zava-nitranga ireto farany. Taorian’ny fampandrenesana ny Zandary dia omby telo no hita tamina trano iray tsy lavitra teo. Mbola karohina kosa ny omby iray.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser