Tovavy iray no hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny farihin’Andraikiba. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora no nahitan’ireo mpanjono ity razana ity, izay nanamorona ny sisin’ny farihy. Nampandre ny fokontany avy hatrany ireto farany. Nampiakarina ny razana ary hita tao amin’ny paosin’ilay vehivavy ny karaponondrony sy ny kopia mariaziny, io no nahafantarana ny mombamomba azy. Vao 20 taona monja izy, mponina ao Andraikiba ihany ary vao taona vitsivitsy monja no nahavitan’ny mariaziny natao tao amin’ny koaminina Belazao izay mifanila amin’Andraikiba. Na dia mponina eny Andraikiba aza izy araky ny adiresy hita tao amin’ny karapanondrony dia tsy nisy nahafantatra azy ny olona teny ami’ny monodidina. Tsy nahitana ratra na mety ho marika famonoana ny vatany, tombanan’ny maro ho famonoan-tena noho izy tranga ity. Nanamafy ny mpitsabo nanao fizahana ny razana fa vao fotoana fohy no nahafaty azy, izany hoe io maraina io ihany.
Andry N.