- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Vaky ny fonja, gadra roa tafatsoaka

Arivonimamo : Vaky ny fonja, gadra roa tafatsoaka

Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, gadra roa no tafatsoaka avy tao amin’ny fonjan’Arivonimamo. Tsy fantatra mazava izay tena fomba nahafahan’izy ireo nitsoaka ny fonja.

Tsy mbola nisy mantsy ny fampitam-baovao ofisialy ary somary sarotsarotra ihany koa ny fakana ny vaovao. « Mbola ao anaty fanadihadiana sy fandrafetana tanteraka ny mombamomba ireo gadra ireo, ireo tompon’andraikitra ao an-toerana. Na izany aza dia efa nampandrenesina avokoa ny mpitandro ny filaminana», hoy ny loharanom-baovao iray any an-toerana. Angom-baovao tetsy sy teroa araka izany no nahafantarana fa ny iray tamin’ireo voafonja ireto dia olona voaheloka higadra mandra-pahafatiny, ary ny iray kosa voaheloka noho ny resaka fikambanan-jiolahy sy firaisana tendro amin’izany. Fantatra fa toa hoe iray efitra ihany izy roa lahy ireto. Tamin’ny alalan’ny lavaka nataon’izy ireo tamin’ny rindrin’ny fonja no voalaza fa nahafahan’ireto roa lahy ireto nitsoaka ny fonja. Inoana tanteraka fa mety ho nanararaotra fotoana iray, izay mety ho tsy nisian’ny fisafoana nataon’ireo mpiambina izy ireo tamin’izay fotoana izay. Saingy mahagaga anefa hoe tamin’ny fomba ahoana sy tamin’ny fotoana oviana no nahafahan’izy ireo nanamboatra ilay lavaka. Tamin’io alina io ihany dia efa nisy ny fikarohana nataon’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny fonja sy ireo mpitandro filaminana ireo gadra nitsoaka saingy mbola tsy nahitam-bokany izany aloha hatreto. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny hazalalambo azy ireo. Tsara marihana fa manana ny mampiavaka azy kely ity fonjan’Arivonimamo ity, raha ny fanangonam-baovao nataonay. Ankoatra ireo efa fantatra fa olon-dratsy dia voalaza fa hoe manefa ny saziny na nalefa any ihany koa ireo olona ambony sy mihaja nahavita heloka teo anivon’ny fiaraha-monina : mpisolovava, mpiasam-panjakana ambony, tompon’andraikitra manana ny maha izy azy amin’ny sehatr’asa isan-tsokajiny, sns…

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici