Miha-miverina tsikelikely amin’ny fanaony andavanandro ny mponina amin’izao. Tsy latsa-danja amin’izay ihany ireo olon-dratsy … Ny harivan’ny alatsinainy teo fotsiny dia fanafihana mitam-piadiana indroa miantoana no niseho teto an-drenivohitra : tetsy Andavamamba sy teny Tanjombato.
Raim-pianakaviana iray no naratra mafy rehefa voatifitr’ireo olon-dratsy tetsy Andavamamba ny harivan’io alatsinainy io, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany tany ho any. Na dia voalaza aza moa fa tsy tokony hisy hivoaka intsony amin’izany ora izany dia mbola nifanaretsaka ny olona, toy ny hita amin’ireo faritra eto an-drenivohitra ihany. Tamin’izay fotoana izay no niditra nanao amboletra tao amin’ny tokantrano iray, teny amin’iny faritra voalaza etsy ambony iny ny enin-dahy, ranjanana, niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Araka ny angom-baovao azo dia ny roa tamin’ireto olon-dratsy no nitondra basy poleta, ny ambiny kosa dia zava-maranitra isan-karazany no teny an-tanany. Marihana fa tsy nanao saron-tava sy arovava izy ireo. Na teo aza anefa izany dia niezaka nanohitra sy niaro hatramin’ny farany ny fananany sy ireo ankohonany ilay raim-pianakaviana, tompon-trano. Tamin’izany no nampiasa tsy tamim-pihambahambana ny fitaovam-piadiana teny an-tanany ny iray tamin’ireo jiolahy, nitifitra ilay tompon-trano. Voan’ny bala tao amin’ny lamosiny ity farany ary nitolefika. Nanao izay danin’ny kibony tamin’izay, araka izany, ireo tontakely, nanangona izay entana sarobidy rehetra sy ny vola tao an-trano. Rehefa azon’izy ireo izay nilainy dia nitsoaka izy ireo. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy sy namonjy ilay naratra ireo voatafika. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana rehetra hikarohana ireo mpanafika. Hatreto kosa, tsy dia mbola voafaritra mazava ny zavatra lasan’ireo mpanafika.
Fa nitovy tamin’izay ihany koa no nitranga tetsy Tanjombato, saingy fivarotana indray no lasibatra teto, tamin’io alatsinainy io ihany tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany tany ho any. Roa lahy indray teto no mpanafika, tsy nisaron-tava fa nanao arovava kosa. Mazava ho azy fa nikatona ity fivarotana ity tamin’izany ora izany saingy mbola nahita hirika hatrany ireo olon-dratsy nidirana nanaovana amboletra tao. Vao tafiditra izy ireo dia nanambana basy ny tao an-trano ary nitaky ny vola rehetra. Atody tsy miady amam-bato moa ary ny aina tsy ananam-piry fa ny vola fitady, koa dia nomena ireo olon-dratsy avokoa izay rehetra notadiaviny : ny vola rehetra sy ireo fananana lafo vidy, niaraka tamin’ireo firavaka isan-karazany. Toy ny fanaon’izy ireo mahazatra dia nitsoaka avy hatrany raha vao nahazo izay nilaina. Efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa mizotra amin’ny fanadihadiana izy ireo.
m.L