Niafara tamin’ny fifamonoana sy ra nandriaka ny lalao manasa-dalana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, nihaonan’ny ekipam-pirenena bresilianina sy alemaina, afak’omaly alina tany Toliara. Nandresy 7 no iray ny mpampianatrano ny Rainiboto. Tsy nijanona ho fialom-boly intsony ny fijeren’ny sasany ny lalao tamin’ny fahitalavitra fa nivadika ho ady sy fifamonoana mihitsy, satria raikitra ny loka sy ny taim-bava. Telolahy monina ao Tsimenatse no niara-nijery baolina, niloka dimy arivo ariary ny roa, ary nanala azy nisotrosotro galeoka. Rafitra anefa ny ady noho ny 5-0, tamin’ny fizaram-potoana voalohany.
Tsy nahatanty taim-bava. Voalaza fa kivy sady tsy nahatsindry fo tsy nahatanty taim-bava ny iray niloka naka an’i Bresila, diso fanantenana, ka niakatra afo. Mbola norangitin’ny namany ihany izy ka tezitra ary namoaka ny antsy teny am-balahany, ka nanindrona izany tamin’ilay niloka nananihany azy. Nitsofoka teo amin’ny ila tratrany havanana anelanelan’ny sandriny ny antsy. Nijininika ny ra ary naratra ity farany. Tezitra noho izany ilay naman’izy ireo fahatelo teo ka naka tavoahangy ary nikapoka an’ ilay nanindrona antsy tamin’ny lohany. Naratra ihany koa io.
Mpivady nifamono. Mbola resaka « mondial » izay ihany, saingy tao amin’ny fokontany Mahavatse. Mpivady roa mpakafy kitra no nifamono, izay tsy voafaritra nazava ny antony nifamaliana, noho ny tazom-baolina ihany. Ramatoa naka Alemaina (nandresy) sady nivazavaza no naneso, rangahy diso fanantenana tsy nahatanty ny balaroran’ny vadiny ka tezitra ary namely totohondry. Voa teo amin’ny vavany ramatoa ka nivoa-dra. Tsy faly tamin’ny daroka nahazo azy ilay renim-pianakaviana ka fanoto kely tany an-dakozia namelezany ny vadiny. Nivonto handrina rangahy. Misy raha la terre !
Manitrisa