Teratany vahiny no tompon’antoka amin’ny famarotana ireny rongony maherivaika ireny eto amintsika.
Hita tokoa amin’izao fa efa miparitaka eto amintsika ny zava-mahadomelina. Ary tsy mianona fotsiny amin’ny rongony maivana intsony fa efa tonga hatrany amin’ny zava-mahadomelina maherivaika, toy ny “cocaine” mihitsy. Ny talata lasa teo ary, lehilahy iray, teratany malagasy, antsoina hoe RC, 30 taona, no tra-tehaky ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, nividy “cocaine” 60 grama, tetsy Anosivavaka Ambohimanarina, rehefa tratran’ny vela-pandriky ny pôlisy. Araka ny fantatra dia fampilazana avy amina olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’io trafika io. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana natao azy no nahalalan’ny mpitandro filaminana ny atidohan’ity fivarotana sy fanaparitahana rongony maherivaika ity.
Iray hetsy mahery ny 1 grama. Teratany nigerianina, antsoina hoe Eze Sampson, 44 taona, no notondroin’ity lehilahy tratra ity fa nivarotra izany rongony maherivaika taminy. Mbola nahitana “cocaine” 3 grama, niampy fandanjana elektronika tao amin’ity teratany nizerianina ity, araka ny fanazavana azo hatrany. Ny fanadihadiana ihany koa no nahalalana fa avy any Afrika Atsimo no niaingan’ireto “cocaine” ireto ary saika hamidy sy haparitaka eto an-toerana, amin’ny vidiny telo alina sy iray hetsy ariary, ny iray grama. Niaiky ny heloka vitany avokoa ireto roalahy tratra tamin’ny trafikana “cocaïne” ireto ary natolotra ny fitsarana omaly. Miantso ny olona araka izany ny avy amin’ny polisim-pirenena mba hiara-kisalahy amin’izy ireo amin’ny famongorona ireo fanetriben’ny firenena ireo.
Mike L.