Tato anatin’ny herinandro maromaro, nahitana vokany ny ezaka nataon’ny polisy miady amin’ny fihanaky ny rongony eto amin’ny renivohitra. Olona efa mahatratra hatrany amin’ny 50 any ho any no efa voasambotra ary rongony be dia be no sarona. Tamin’ny heriandro lasa, nahazo vaovao indray ny mpitandro filaminana fa misy lehilahy antsoina hoe Baina mivarotra sy mifoka rongony eny Mandialaza Ankadifotsy. Rehefa nandehanana tany amin’ilay trano voatondro dia io tokoa ny anao lahy, mivarotra sy mifoka, niaraka tamina olona roa hafa mpanjifa. Ny talata faha-7 jolay no sarona izy ireo. Tamin’ny fanontaniana natao ilay mpivarotra dia nilaza izy fa olona avy any amin’ny faritra atsimo no mpamatsy azy ka vidiany 60 000 ariary ny iray sachet. Ataony anaty fonosana izany dia amidiny 1 000 ariary ny iray. Nisy fonosana miisa 73 tratra tao an-tranony. Efa ho enim-bolana no nivarotana zava mahadomelina. Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famorotana ity olona ity.
Nangonin’i r.s.