- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFonjan’Ihosy : « Nikomy » ireo gadra, 12 tafatsoaka, mpiandry fonja telo...

Fonjan’Ihosy : « Nikomy » ireo gadra, 12 tafatsoaka, mpiandry fonja telo no naratra

Nitrangana savorovoro tamin’ny fonjan’Ihosy ny alin’ny alahady teo. Vokany, gadra manodidina ny 12 tany ho any no tafatsoakan’ny fonja. Mpiandry fonja telo kosa no naratra mafy vokatr’izay. Fantatra fa efa nisy tamin’ireo voafonja anankiroa no voasambotra io alina io ihany.

Niaina tao anaty tebiteby tanteraka ny tao an-tampon-tanan’Ihosy tao ny alin’ny alahady lasa teo, raha vao nahare fa vaky ny fonja. « Nisy ny toy ny karazana « fikomiana » nataon’ireo olona voatazona  tao an-toerana tamin’io fotoana io » hoy ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ity toeram-pigadrana ity. Na teo aza anefa ny ezaka nandaminana izany nataon’ireo tompon’andraikitra sy ireo mpiandry fonja dia tsy voasakana ny fitsoahan’ireo gadra amam-polony. Nanampy trotraka izay rahateo, raha ny angom-baovao azo hatrany ny fahanteran’ny foto-drafitr’asa tamin’ity toerana hitazomana ireo olona nanao ratsy teo amin’ny fiaraha-monina ity. « Nanararaotra ny savorovoro nisy ireo gadra ka namotika ny foto-drafitr’asa, nahafahan’izy ireo nitsoaka » hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Na izany aza anefa, nanohitra sy nandray ny andraikiny hatramin’ny farany ireo mpiandry fonja ary raikitra tamin’izany mihitsy ny ady nifampitolomana tamin’ireo gadra. Nisy tamin’iretsy voalohany no naratra mafy vokatr’izany ary voasambotra teo ho no eo ihany ny roa, raha tafaporitsaka ny ambiny. Nisy ny fivoriana maika niarahan’ny tompon’andraikitra rehetra sy ny manam-pahefana tany an-toerana ary efa mandeha ny hazalambo hikarohana ireo gadra tafatsoaka ireo.

Marihana fa fanindroany tamin’ireo fonja vaky ity tany Ihosy ity tato anatin’ny herinandro izay. Ny iray voalohany ilay tao Arivonimamo, izay nitranga ny alin’ny alatsinainy hifoha talata heriny teo iny. Raha ny mahakasika ity farany dia nambaran’ireo tompon’andraikitra fa mbola ao anatin’ny fikarohana ilay gadra iray tafatsoaka ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ny mpiandry fonja amin’izao. Tsiahivina fa ilay namany iray niara-nitsoaka tamin’ity farany dia efa voasambotra teny Vontovorona roa andro taorian’ny nitsoahany.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici