Tsy misy ny fandeferana fa rehefa manao ny tsy mety dia maintsy hiharan’ny sazy. Pôlisy roa tany amin’iny faritra Mahajanga iny no voatery naato tamin’ny asany, noho ny resaka fanararaotam-pahefana nataon’izy ireo. Nisy iray hafa ihany koa nosamborina tany Fianarantsoa rehefa tratra naka vola tsy ara-drariny taman’olona.
Tsy lasan-ko vavany tokoa ny fepetra hentitra noraisin’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena mahakasika ireo pôlisy mihoa-pefy sy manararaotra ny fahefana eo am-pelan-tanany. « Ny tompon’andraikitra eto anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka dia mamerina hatrany fa tsy handefitra mihitsy manoloana ireo Polisy manararao-pahefana ka tsy manaja ny etika sy deontolojia mifehy azy ary manimba endrika ny Polisim-pirenena » hoy ny fanazavana. Fantatra tokoa mantsy fa tsy maintsy nanokafana fanafadihadiana lalina ireo pôlisy roalahy izay voalaza fa nanao fihetsika tsy voahevitra tamin’ireo olona namonjy tora-pasika tao an-drenivohitr’i Boina tao. Tsy vitan’ny fanokafana fanadihadiana fotsiny anefa dia mbola nampiharina tamin’izy ireo ny fampiatoana azy ireo tamin’ny asany aloha. Ankoatr’izay dia fantatra ihany koa nisy pôlisy iray voasambotry ny fokonolona tao an-drenivohitr’i Betsileo tao, rehefa tratran’izyireo naka vola tamina olona iray. Natolotra teny anivon’ny kaomisaria izany mpitandro filaminana nihoam-pefy izany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny Lehiben’ny pôlisy tany an-toerana teo anatrehan’ny zava-nitranga. « Ny polisim-pirenena dia mankasitraka antsika vahoaka amin’ny fandraisana andraikitra sy fanomezam-baovao manoloana ireo Polisy mihoa-pefy eny anivon’ny fiaraha-monina ary mbola manantena ny fiaraha-miasa sy firaisankina hatrany amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy eto amin’ny firenena » hoy hatrany ny fanazavàna azo.
m.L