- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversVonoan’olona teny Ambohimailala : Niainga tamin’ny « facebook » ny rehetra !

Vonoan’olona teny Ambohimailala : Niainga tamin’ny « facebook » ny rehetra !

Niompana bebe kokoa tamin’ny fanadihadiana teo anivon’ny tambajotran-tserasera ny mpitandro ny filaminana mba hahafahana nitady porofo marina nitazomana ireo izay voafatotra tao anatin’ny raharaha vonoan’olona tetsy Ambohimailala. Maro loatra mantsy ny zavatra hafahafa nandeha tao. Isan’izany, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana, ny fahitàna ny sarin’ ny razana izay nalaina talohan’izy ireo nodorana tetsy Ambohimailala. Razana izay mbola tsy nisy dian-drà sy herisetra isan-karazany, raha araka ny fanazavana azo hatrany. Nefa dia efa nisy nandefa tamin’ny tambajotran-tserasera ihany koa, saingy vetivety foana dia nesorina. Ankehitriny dia voamarin’ny pôlisy avokoa ny rehetra manodidina ity raharaha ity ary hatreto dia heverina fa adin’ny tanora no tena nitarika ny famonoana. Tsy dia nitombina intsony izany ilay hoe vao avy nahavita “afera be” dia nampifaly ny namany dia nivadika ho famonoana ny niafarany mba hangalàna ny vola teny aminy, raha araka ny loharanom-baovaonay hatrany. Ny zava-misy hatreto dia nisy andiana mpinamana natambatry ny tambajotran-tsarasera “facebook”. Nifanao fotoana ireo fa hiaraka hisotrosotro toaka sy “hanala azy”. Dia notontosaina tokoa izany, indroa miantoana. Ny farany hitan’ny olona dia teo amin’ny marais masay. Ny taorian’izay dia efa toeran-kafa indray ary mazava ho azy fa mety ho toerana nitrangan’ny famonoana ihany koa. Hatreto koa dia tsy voatery ho teo Ambohimailala no namonoana ireo olona ireo. Nariana teo fotsiny ihany ny razana dia nodorana mba tsy hisian’ny porofo azo itazomana izay namono. Ireny traikefa amin ‘ny horonantsary ireny izany no noeritreretin’ireo namono hampiasaina mba tsy hahafantarana azy ireo. Nahomby tokoa izany nandritra ny volana vitsivitsy fa sarona ihany rehefa niditra lalindalina kokoa teo anivon’ny tambajotra sesilany ny fanadihadiana. Nisy marika tokoa tao ny amin’ny hifandraisan’ireo olon-dratsy tamin’n y raharaha Ambohimailala. Nitohy ihany izany ary tonga hatrany amin’ny fijirihina ny fivezivezen’ny hafatra nifanaovan’ireo olona sy ny antso ihany koa. Voaporofo avokoa izany ankehitriny, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy eo anivon’ny BC.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser