- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversBelo sur Tsiribihina : Tovolahy 17 taona nalain’ny dahalo an-keriny

Belo sur Tsiribihina : Tovolahy 17 taona nalain’ny dahalo an-keriny

Efa zary fanaon’ireo dahalo tato ho ato ny maka olona an-keriny eny ambany vohitra mba hitakiana vola na omby. Tovolahy iray 17 taona no niharan’izany tao amin’ny fokontany Ankotrofotsy Kaominina Belinta distrika Belo sur Tsiribihina ny alin’ny 17 aprily lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Nalatsak’ireo olo-dratsy teo amin manodidina ny trano ny laharan’ny findain’izy ireo. Fihetsika hanaporofoina fa lasan’izy ireo ity tovolahy ity. Rehefa natsoina moa ilay laharana dia namaly ireo dahalo ary nitaky omby 12 sy vola 7 hetsy ariary. Nambaran’izy ireo fa tsy maintsy aterina ao amin’ny toerana antsoina hoe Anivorano izay efa any amin’ny faritra Miandrivazo. Nandray andraikitra avy hatrany ireo miaramila mpampandry tany avy ao amin’ny ZRPS Bravo (Zone rurale prioritaire de sécurité Bravo B2) izay misahana iny toerana iny raha vao nandre ity tranga ity. Napetraka ary ny vela-padrika rehetra ka notanterahina tokoa ny fitakian’ireo jiolahy. Teo am-panolorana ny omby sy ny vola anefa dia nandamoka  ny paik’ady natao fa nihemotra tamin’ny ora farany ireo mpaka an-keriny. Nitranga izany satria fantatra fa nisy olona nifandray tendro amin’izy ireo ka nahalalan’izy ireo fa fandrika io satria efa ao akaiky ao ny mpitandro filaminana. Voatery nanova tetika indray ireo miaramila ka andrasana ny mety ho vokatr’izany hatreto.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici