Raha ny fanazavana nomen’ny minisitry ny mponina araka ny tatitra voarainy tamin’ireo mpitsabo misahana ny valanaretina Covid-19 eto Toamasina, dia fokontany 06 no voasokajy ao anatin’ny faritra mena eto Toamasina amin’ny fisian’ity valanaretina coronavirus ity. Isan’ireny ny fokontanin’i Tanamakoa – fokontanin’i Vohitsara iny. Vokany nanomboka ny 04 mai hatramin’ny 07 mai izao araka ny tapaka teo anivon’ny filan-kevitry ny minisitra, dia misy ny fizarana maimaim-poana ny Covid Organics ho an’ny fianakaviana izay ao anaty “sachet” ho an’ireo fianakaviana amin’ireo fokontany 06 faritra mena sy ireo fokontany manodidina azy ireo, ka miisa 16 ireo fokontany hotolorana izany CVO ho an’ny fianakaviana izany izay miampy arovava sy arotava miisa 03 avy isan-tokantrano. Miisa 02 ny fokontany ao amin’ny boriborin-tany Anjoma isan’izany fokontany Vohitsara, 06 ny ao Ankirihiry ka isan’izany ny fokontany Valpinson, 02 ny fokontany ao Morarano, ary 06 ny fokontany ao Tanambao V isan’izany ireo fokontany 04 ao Tanamakoa izay isan’ny nahitana ireo “cas contacts” sy “cas importés” maro teto Toamasina. Mitarika ny fizarana ireo CVO sy ireo arovava – arotava ireo eto Toamasina ny minisitry ny mponina izay minisitra “coach” Toamasina Naharimamy Irmah sy ny minisitry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana.
Malala Didier